Fampandrenesana : Fampandrenesana_Mpiangona.pdf
Paris, 21 Oktobra 2021
Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo.
Ry Havana, noho ny cas covid 1 (iray) ato amin’ny Tafo Fihobiana Paris, dia naka fanapahan-kevitra ny Komity sy ny Loholona tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana natao omaly 20 Oktobra 2021 tamin’ny 9 ora alina, fa akatona mandritra ny Alahady roa ny Tafo dia ny Alahady 24 sy 31 Oktobra 2021.
Koa iangaviana isika izay tonga nivavaka ny Alahady 17 Oktobra 2021, hanao fitiliana manomboka ny Zoma na Sabotsy 23 Oktobra 2021.
Noho izany, ny fifidianana Diakona sy Loholona nokasaina atao ny Alahady 24 Oktobra 2021 dia ahemotra ny Alahady faha 07 Novambra 2021 amin’ny 10 ora ny fanombohan’ny fotoana ary ao 58 rue madame izany .
Amin’io andro io ihany koa no hanatanterahana ny Vonjy Ranovaky voalohany.
Mirary soa antsika rehetra. Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo.
Ny Mpitandrina Mpandrindra : Théodore RANDRIAMANANTENA
Amin’ny anaran’ny Birao