Smyrna – Apokalypsy 2:8-11

II – NY HAFATRA HO AN’NY FIANGONAN’I SMYRNA

1 – Ny tompon’ny hafatra

Jesoa Kristy no Tompon’ny hafatra, ka Izy no miteny. Nisalotra ny anarana efa voalaza ao amin’ny Apok.1:18 Izy: “Ilay velona; efa maty Aho nefa, indro velona mandrakizay mandrakizay”. Ary ny anarana hoe: “ny Voalohany sy ny Farany” dia mitovy amin’ny hoe “Alfà sy Oméga” (voalohany sy ny farany amin’ny alfabeta grika), izay hita ao amin’I Isa. 44:6 , izay ilazany hoe: “Izaho no voalohany sy Farany, tsy misy Andriamanitra ankoatr’Ahy”. Manambara ny maha-Andriamanitra Azy Jesoa Kristy. Tsy misy Andriamanitra ankoatry ny Andriamanitra Telo Izay iray ao amin’ny Baiboly. Izany hoe ny “Emperora Romana” dia tsy andriamanitra.

2 – Ny hafatra ho an’ny Fiangonan’I Smyrna

Ny taratasy ho an’ny Fiangonana tao Smyrna dia FAMPAHEREZANA satria mampiseho izy fa Ilay Tompon’ny fiainana sy ny fahafatesana (« Izay efa maty nefa velona indray », and.8) no manatrika azy sy manara-maso ny zava-miseho ao aminy.

Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manankarena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa synagogan’I Satana”. Fantatry ny Tompo ny Fiangonany sy ny fahoriany. Nandalo fizahan-toetra mafy ny Fiangonana tao Smyrna. Fantatry ny Tompo avokoa anefa izany ary mijery akaiky izay ho avin’ity Smyrna ity Izy.

3 – Ny tombambokatry ny Fiangonan’I Smyrna (Le bilan de l’église de Smyrne)

Miavaka ny tombambokatry ny Fiangonan’i Smyrna : sady tsy « actif » no tsy « passif » tahaka ny taratasy nosoratana ho an’ny Fiangonana sasany. Tsy nanao afa-tsy fitanisàna ireo karazana fahoriana hiaretan’ny Fiangonana Jesoa. Ny tombambokatra mivaingan’ny Fiangonan’i Smyrna (bilan positif) dia ny hiaretany am-pahatokisana ireo fahoriana ireo : izany no fijoroany vavolombelona ao an-tanàna.

Mandalo fahoriana ny Fiangonana satria niaritra ny fanenjehana avy amin’ireo tsy mpivavaka izay tsy mahazaka ny fandavan’ny Kristiana tsy hivavaka amin’ny emperora izy. Mandalo fahasarotana amin’ny tsy fahitana asa ny Kristiana ary miaritra ny tsy rariny miverimberina. Misy mihitsy aza ny fampandoavana azy ireo sazy ara-bola sy sazy hafa, ary azo antoka ny fandroban’ireo mpankasitraka ny herisetra ara-politika (extremiste) ny fananan’izy ireo nefa tsy voasazy.

Tetsy an-danin’izany rehetra izany koa ny fanenjehan’ny Jiosy ny Kristiana. Ambaran’ny Jiosy ho mpivadika ireo lasa Kristiana, ary tena tsy zakany ny filazana ny Kristiana ho toy ny vahoakan’Andriamanitra. Misitraka fandeferana sy fiarovana ara-panjakana ny Jiosy, kanefa manao izay azony hatao mba tsy hisitrahan’ny Kristiana izany.Manely fanendrikendrehana samihafa handotoana ny Kristiana izy ireo amin’ny fandrangitana ny tsy mpino hanohitra azy ireo.

Masiaka, henjana ny tombambokatra nomen’I Jesoa ireto zanatany Jiosy ireto. Mbola henjana lavitra noho ny teny nataony tamin’ny Fariseo sy ny Mpanoradalàna ho mpihatsaravelatsihy. Nihambo, araka ny foko niaviany, mantsy ireto Jiosy ireto fa izy ireo ihany no manana ny fankasitrahana avy amin’Andriamanitra, nefa tena asan’ny satàna mihitsy no nataony. Ary izany no nilazan’ny Tompo azy ho Synagogan’ny Satana.