Smyrna – Apokalypsy 2:8-11

III –NY TSARA ALAIN-TAHAKA MOMBA NY FIANGONAN’I SMYRNA

1 – Izay tokony hiaretana

Na dia teo aza ny fahantrana sy ny fahorian’ny Fiangonana tao Smyrna, dia nambaran’I Jesoa taminy, fa ny tena marina dia manankarena izy. Manankarena ara-panahy izy ary any an-danitra ny hareny. Vokatr’izany, manoro hevitra io Fiangonana io ny Tompo mba hibanjina mandrakariva ny lanitra fa tsy ho variana amin’ny fahantràna eto an-tany. Zava-dehibe loatra ny fiainam-panahy sy mandrakizay, ka aleo miharitra ny fahoriana mba hidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra, toy izay hitoetra amin’izay mampiadana (confortable) nefa mitarika fahaverezana mandrakizay. N’inona n’inona hitranga, na mety ho samihafa aza ny fahatsapana azy, ny mpianatr’I Jesoa dia manankarena.

Mahagaga ihany eto, fa ny Tompo dia tsy mampanantena fidirana an-tsehatra avy hatrany hamaha ny olan’I Smyrna. Ny mifanohitra amin’izany aza no nambarany dia  hahamafimafy kokoa izay hiaretany. Tsy manana hery hanoherana ireo tsy mpino tao Smyrna ve ny Tompo? Tsia! Tsy fantany ve izany ny fahorian’ny olona ao? Tsia koa no valiny! Ka nahoana Izy no tsy miditra an-tsehatra mba hananan’ny Kristiana fahamendrehana sy fiadanana? Tsy namaly izany ny Tompo. Ilaina ny fahorian’ny Kristiana tao Smyrna mba hahatanteraka ny asan’Andriamanitra, tahaka ny nilàna ny niaretan’I Jesoa Kristy. Tian’ny zanany loatra Andriamanitra ka tsy hamela azy hitondra izay tokony ho zakany.

Noraisin’I Jesoa ho olon-dehibe ny Kristiana tao Smyrna ka tsy nanafenany ny marina. Nambarany ary fa maro amin’izy ireo no hatao an-tranomaizina, mba hisedràna ny Fiangonana. Izany hoe io fanaovana an-tranomaizina io no hanehoan’ny Kristiana ny fahamarinana sy ny herin’ny finoany ao amin’I Jesoa Kristy. Rehefa maharitra amin’ny fizahan-toetra mahazo azy ny Kristiana dia mandresy lahatra ny finoana ananany. Hanam-pahoriana folo andro ny Fiangonana, ao anatin’io ny fanaovana an-tranomaizina sy ny fahoriana hafa. Tsy azo raisina ara-bakiteny ny hoe 10
andro, fa midika izany fa amin’ny fotoana voafetra. Mbola manamafy izany fa mijery ny mpanaraka Azy Andriamanitra ary tsy mamela azy ireo hitondra izay tsy zakany.

2 – Famporisihana

Nitondra famporisihina ho an’ny Fiangonan’I Smyrna ny Tompo: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana”. Amporisihiny ny Kristiana haharitra hatramin’ny farany, na dia ho faty martiora aza izy ireo satria sahaza azy izany. Izy Tompo mihitsy no hanome ny satroboninahitra fiainana ho tambin’ny fahatokiany sy tsy fivadihany. Atolotra azy miaraka ny fiainana mandrakizay sy ny satroboninahitra, ho voninahitry ny fandreseny. Izay nohambaniana sy natao tsinontsinona tety an-tany no homem-boninahitra any amin’ny fiainana mandrakizay.

3 – Ny fampanantenana ho an’ny mpandresy

Ny taratasy ho an’ny Fiangonan’I Smyrna dia miafara amin’ity fampaherezana ity: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana!” Tamin’ny alalan’ny Fanahiny no nitenenan’ny Tompo tamin’ny fiangonana manokana, fa amin’ny alalan’ity taratasy ity, izay misokatra ho an’ny Fiangonana rehetra, ao anatin’izany iska ao amin’ny Fafats, dia hasaina isika hihaino izay ambarany.

Ny Fanahin’Andriamanitra no mampanantena antsika fa “Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa”. Ho an’ny tsirairay izany fampanantenana izany fa tsy ho an’ny Fiangonana amin’ny maha-fikambanana azy: ny fandresena izay resahina dia tsy ho an’ny daholobe indray miaraka (collective), fa ho an’ny tsirairay (individuelle), ny tsirairay no tokony hahazo izany.

Raha vao miresaka fandresena dia misy ady izay. Jesoa Kristy no efa nahazo izany fandresena izany na teo amin’ny hazo fijaliana na tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Efa azo izany. Kanefa ny ady ara-panahy mbola tsy mifarana, tsy maintsy tohizana hatramin’ny farany izany. Ny fandresena dia ho an’izay maharitra amin’ny finoana, ho an’izay mifikitra amin’ny Tompo hatramin’ny fara-fofon’ainy.

Mampanantena azy ireo ny Tompo fa “tsy ho simban’ny fahafatesana faharoa izy”. Ny fanazavana izany dia izao: Ny fahafatesana voalohany dia ny fahafatesana ara-batana izay fantatry ny rehetra. Fa ny faharoa kosa dia ny fahafatesana ara-panahy izay antsoina hoe “afobe”, dia ny toerana hisy ny fijaliana mandrakizay (Apo 20,21). Fahafatesana mandrakizay izany, sazin’izay rehetra nanao ratsy.