6 – Inona avy ireo fomba azon’ny Fiangonana ampiasaina hisorohana ny fihemorana ara-panahy sy ny fitsarana ataon’I Kristy amin’izany?
Fomba maromaro no voalazan’ity taratasy ity:
a) Voalohany sady lehibe indrindra dia tokony ho vonona “hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana” ny Fiangonana rehetra (Apok 2:5-7, 16-17,21). Ny tenin’I Jesoa Kristy ihany no tokony ho tari-dàlana mandrakariva ho an’ny Fiangonana (1:1-5). Ilay Teniny, araka izay nambara tamin’ireo Apostoly ao amin’ny Test.Vaovao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no tari-dàlana ahafahan’ny Fiangonana mamantatra ny amin’ny toetran’ny finoany sy ny zavatra fanaony, mba ahafahany manavao ny fiainam-panahiny indray (2:7,11,17,29).
b) Tokony hamantatra ny toetry ny ara-panahiny eo anatrehan’Andriamanitra hatrany ny Fiangonana, ka hanitsy ny fetra tsy hahazoany mandefitra amin’ny fanafahana izao tontolo izao sy ny fahalotoana eo anivon’ireo mambra ao aminy (2:4,14-15,20; 3:1-2,14-17).
c) Azon’ny Fiangonana na ny fikambanana atao anefa ny mampijanona ny fitotonganana (fihemorana) ara-panahy raha toa ka mibebaka marina izy ireo, ka marisika tsara hiverina amin’ilay fitiavana voalohany, ny fahamarinana, ny fahadiovana ary ny herin’ny fanambarana ara-tSoratra Masina nataon’I Jesoa Kristy (2:5-7, 16-17; 3:1-3,15-22).