Lundi de Pentecôte 2017

Flyer Lundi de Pentecôte 2017

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, toy ny isan-taona dia ho tanterahina ny Alatsinainy faha-05 Jiona 2017 ho avy izao ny fitsangatsanganana lundi de Pentecôte

Ny fotoana dia eny amin’ny  eny amin’ny Parc Départemental des Marmousets, 94510 La Queue-en-Brie (toy ny tamin’ny herintaona ihany), ary hanomboka amin’ny 11h maraina.

Ny S.T.K. no mikarakara ny sakafo sy ny activités eny an-toerana.

Ny sakafo dia hamidy 5€ (lasary, vary, laoka – barbecue ary voankazo). Ny zava-pisotro kosa dia hamidy 1€.

Hisy ny kilalao maro samihafa, ary hisy ihany koa ny navette miala eny amin’ny gare RER E – Emerainville/Pontault-Combault.

Koa manao antso ny Sampana Tanora ho an’izay malala-tanana, manana ireto fitaovana manaraka ireto, hanantona azy dieny izao: barbecue, charbons, couverts en plastique, réchauds à gaz, fiarakodia hanaovana navettes.

Iangaviana ihany koa izay mikasa ho tonga amin’io fotoana io mba hisoratra anarana any amin’ny S.T.K., mba ahazoana manombatomba ny isan’ny olona ho avy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.

Ny STK Fihobiana-Paris

Contact : 06 67 44 05 72