{"id":334,"date":"2013-04-17T14:13:05","date_gmt":"2013-04-17T13:13:05","guid":{"rendered":"http:\/\/fpmafihobiana.org\/v4\/?p=334"},"modified":"2013-04-17T14:13:05","modified_gmt":"2013-04-17T13:13:05","slug":"smyrna-apokalypsy-28-11","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/?p=334","title":{"rendered":"Smyrna &#8211; Apokalypsy 2:8-11"},"content":{"rendered":"<p><b>I &#8211; FAMPIDIRANA<\/b><\/p>\n<p><b>1 &#8211; Ny tan\u00e0nan\u2019i Smyrna<\/b><\/p>\n<p>Tamin\u2019ny fotoana nanoratana ny Apokalypsy, Smyrna dia tan\u00e0na lehibe\u00a0 sy tsara tarehy, nirehareha noho ny hareny sy ny hankatony, ka nifaninana tamin\u2019i Efesosy sy Pergamosy izay ho voalohany eran\u2019i Asia. Sakaizan\u2019ny Romana hatrmin\u2019ny voalohany izy ka nomen\u2019i Cic\u00e9ron anarana hoe\u00a0: \u00ab\u00a0ilay tan\u00e0nan\u2019ny sakaizantsika mahatoky sy tranainy indrindra\u00a0\u00bb. Maro ny Jiosy no nitoetra tao an-tan\u00e0na, indrindra fa taorian\u2019ny naharava an\u2019i Jerosalema (taona 70).<!--more--><\/p>\n<p>Amin\u2019izao fotoana izao dia tan\u00e0na fahatelo (3\u00e8 ville) any Turquie, ary seranan-tsambo faharoa. Ny anarany ankehitriny dia lasa hoe \u00ab\u00a0Izmir\u00a0\u00bb. Miorina amin\u2019ny ilany andrefana amin\u2019ny firenena manolotra ny ranomasin\u2019I Eg\u00e9e izy.<\/p>\n<p><b>2 \u2013 Ny zava-nisy tao Smyrna<\/b><\/p>\n<p>Nalaza noho ny fiandrianany ny tan\u00e0na raha mitaha amin\u2019ireo fanjakana eo ambany fifehezan\u2019ny Romana. Efa tamin\u2019ny taona 26 no efa niorenan\u2019ny tempoly ho an\u2019ny emperora Tiberiasy, ary taty aoriana rehefa lasa \u201cobligatoire\u201d ny fivavahana amin\u2019ny emperora, dia nafana fo tokoa I Smyrna nanery ny vahoakany hanao izany. Vidiana lafo dia lafo ny fand\u00e0vana io fivavahana amin\u2019ny emperora io.<\/p>\n<p>Tao Smyrna koa dia nisy zanatany jiosy (colonie juive) maro dia maro efa niaina ny fomba tao ka manana ny maha-izy azy. Rehefa nivelatra tany Asie Mineure ny fivavahana kristiana, ka nisy ireo jiosy sasantsasany lasa kristiana, dia lasa nankahala ny Kristiana ny Jiosy ary nampijaly azy ireo tamin\u2019ny alalan\u2019ny herisetra, izay niseho manokana tao Smyrna. Tsy nisalasala mihitsy ny Jiosy mikambana amin\u2019ny mpanompo sampy hanohitra ny Kristiana.<\/p>\n<p><b>3 \u2013 Ny Fiangonan\u2019I Smyrna<\/b><\/p>\n<p>Ankoatr\u2019izay voasoratra, dia kely ihany no fantatra momba ny Fiangonan\u2019I Smyrna: Nandritra ny nitoeran\u2019i Paoly tao Efesosy no tokony ho niorenan\u2019ny fiangonana tao Smyrna. Tsy isalasalana fa ireo Kristiana avy any Efesosy no nanorina azy. Ary nanovo tombontsoa tamin\u2019ny ministeran\u2019ny mpianatry ny Apostoly Jaona, nantsoina hoe \u201cPolycarpe\u201d, izay maty martiora tamin\u2019ny taona 155 ny Fiangonan\u2019I Smyrna.<\/p>\n<p><b>\u00a0<\/b><br \/>\n<!--nextpage--><br \/>\n<b>II \u2013 NY HAFATRA HO AN\u2019NY FIANGONAN\u2019I SMYRNA<\/b><\/p>\n<p><b>1 \u2013 Ny tompon\u2019ny hafatra<\/b><\/p>\n<p>Jesoa Kristy no Tompon\u2019ny hafatra, ka Izy no miteny. Nisalotra ny anarana efa voalaza ao amin\u2019ny Apok.1:18 Izy: \u201c<i>Ilay velona; efa maty Aho nefa, indro velona mandrakizay mandrakizay<\/i>\u201d. Ary ny anarana hoe: \u201cny Voalohany sy ny Farany\u201d dia mitovy amin\u2019ny hoe \u201cAlf\u00e0 sy Om\u00e9ga\u201d (voalohany sy ny farany amin\u2019ny alfabeta grika), izay hita ao amin\u2019I Isa. 44:6 , izay ilazany hoe: \u201cIzaho no voalohany sy Farany, tsy misy Andriamanitra ankoatr\u2019Ahy\u201d. Manambara ny maha-Andriamanitra Azy Jesoa Kristy. Tsy misy Andriamanitra ankoatry ny Andriamanitra Telo Izay iray ao amin\u2019ny Baiboly. Izany hoe ny \u201cEmperora Romana\u201d dia tsy andriamanitra.<\/p>\n<p><b>2 \u2013 Ny hafatra ho an\u2019ny Fiangonan\u2019I Smyrna<\/b><\/p>\n<p>Ny taratasy ho an\u2019ny Fiangonana tao Smyrna dia FAMPAHEREZANA satria mampiseho izy fa Ilay Tompon\u2019ny fiainana sy ny fahafatesana (\u00ab\u00a0<i>Izay efa maty nefa velona indray<\/i>\u00a0\u00bb, and.8) no manatrika azy sy manara-maso ny zava-miseho ao aminy.<\/p>\n<p>\u201c<i>Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao<\/i> <i>(nefa manankarena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon\u2019izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa synagogan\u2019I Satana<\/i>\u201d. Fantatry ny Tompo ny Fiangonany sy ny fahoriany. Nandalo fizahan-toetra mafy ny Fiangonana tao Smyrna. Fantatry ny Tompo avokoa anefa izany ary mijery akaiky izay ho avin\u2019ity Smyrna ity Izy.<\/p>\n<p><b>3 \u2013 Ny tombambokatry ny Fiangonan\u2019I Smyrna (Le bilan de l\u2019\u00e9glise de Smyrne)<\/b><\/p>\n<p>Miavaka ny tombambokatry ny Fiangonan\u2019i Smyrna\u00a0: sady tsy \u00ab\u00a0actif\u00a0\u00bb no tsy \u00ab\u00a0passif\u00a0\u00bb tahaka ny taratasy nosoratana ho an\u2019ny Fiangonana sasany. Tsy nanao afa-tsy fitanis\u00e0na ireo karazana fahoriana hiaretan\u2019ny Fiangonana Jesoa. Ny tombambokatra mivaingan\u2019ny Fiangonan\u2019i Smyrna (bilan positif) dia ny hiaretany am-pahatokisana ireo fahoriana ireo\u00a0: izany no fijoroany vavolombelona ao an-tan\u00e0na.<\/p>\n<p>Mandalo fahoriana ny Fiangonana satria niaritra ny fanenjehana avy amin\u2019ireo tsy mpivavaka izay tsy mahazaka ny fandavan\u2019ny Kristiana tsy hivavaka amin\u2019ny emperora izy. Mandalo fahasarotana amin\u2019ny tsy fahitana asa ny Kristiana ary miaritra ny tsy rariny miverimberina. Misy mihitsy aza ny fampandoavana azy ireo sazy ara-bola sy sazy hafa, ary azo antoka ny fandroban\u2019ireo mpankasitraka ny herisetra ara-politika (extremiste) ny fananan\u2019izy ireo nefa tsy voasazy.<\/p>\n<p>Tetsy an-danin\u2019izany rehetra izany koa ny fanenjehan\u2019ny Jiosy ny Kristiana. Ambaran\u2019ny Jiosy ho mpivadika ireo lasa Kristiana, ary tena tsy zakany ny filazana ny Kristiana ho toy ny vahoakan\u2019Andriamanitra. Misitraka fandeferana sy fiarovana ara-panjakana ny Jiosy, kanefa manao izay azony hatao mba tsy hisitrahan\u2019ny Kristiana izany.Manely fanendrikendrehana samihafa handotoana ny Kristiana izy ireo amin\u2019ny fandrangitana ny tsy mpino hanohitra azy ireo.<\/p>\n<p>Masiaka, henjana ny tombambokatra nomen\u2019I Jesoa ireto zanatany Jiosy ireto. Mbola henjana lavitra noho ny teny nataony tamin\u2019ny Fariseo sy ny Mpanoradal\u00e0na ho mpihatsaravelatsihy. Nihambo, araka ny foko niaviany, mantsy ireto Jiosy ireto fa izy ireo ihany no manana ny fankasitrahana avy amin\u2019Andriamanitra, nefa tena asan\u2019ny sat\u00e0na mihitsy no nataony. Ary izany no nilazan\u2019ny Tompo azy ho Synagogan\u2019ny Satana.<b><\/b><br \/>\n<!--nextpage--><br \/>\n<b>III \u2013NY TSARA ALAIN-TAHAKA MOMBA NY FIANGONAN\u2019I SMYRNA<\/b><\/p>\n<p><b>1 \u2013 Izay tokony hiaretana<\/b><\/p>\n<p>Na dia teo aza ny fahantrana sy ny fahorian\u2019ny Fiangonana tao Smyrna, dia nambaran\u2019I Jesoa taminy, fa ny tena marina dia manankarena izy. Manankarena ara-panahy izy ary any an-danitra ny hareny. Vokatr\u2019izany, manoro hevitra io Fiangonana io ny Tompo mba hibanjina mandrakariva ny lanitra fa tsy ho variana amin\u2019ny fahantr\u00e0na eto an-tany. Zava-dehibe loatra ny fiainam-panahy sy mandrakizay, ka aleo miharitra ny fahoriana mba hidirana amin\u2019ny fanjakan\u2019ny lanitra, toy izay hitoetra amin\u2019izay mampiadana (confortable) nefa mitarika fahaverezana mandrakizay. N\u2019inona n\u2019inona hitranga, na mety ho samihafa aza ny fahatsapana azy, ny mpianatr\u2019I Jesoa dia manankarena.<\/p>\n<p>Mahagaga ihany eto, fa ny Tompo dia tsy mampanantena fidirana an-tsehatra avy hatrany hamaha ny olan\u2019I Smyrna. Ny mifanohitra amin\u2019izany aza no nambarany dia\u00a0 hahamafimafy kokoa izay hiaretany. Tsy manana hery hanoherana ireo tsy mpino tao Smyrna ve ny Tompo? Tsia! Tsy fantany ve izany ny fahorian\u2019ny olona ao? Tsia koa no valiny! Ka nahoana Izy no tsy miditra an-tsehatra mba hananan\u2019ny Kristiana fahamendrehana sy fiadanana? Tsy namaly izany ny Tompo. Ilaina ny fahorian\u2019ny Kristiana tao Smyrna mba hahatanteraka ny asan\u2019Andriamanitra, tahaka ny nil\u00e0na ny niaretan\u2019I Jesoa Kristy. Tian\u2019ny zanany loatra Andriamanitra ka tsy hamela azy hitondra izay tokony ho zakany.<\/p>\n<p>Noraisin\u2019I Jesoa ho olon-dehibe ny Kristiana tao Smyrna ka tsy nanafenany ny marina. Nambarany ary fa maro amin\u2019izy ireo no hatao an-tranomaizina, mba hisedr\u00e0na ny Fiangonana. Izany hoe io fanaovana an-tranomaizina io no hanehoan\u2019ny Kristiana ny fahamarinana sy ny herin\u2019ny finoany ao amin\u2019I Jesoa Kristy. Rehefa maharitra amin\u2019ny fizahan-toetra mahazo azy ny Kristiana dia mandresy lahatra ny finoana ananany. Hanam-pahoriana folo andro ny Fiangonana, ao anatin\u2019io ny fanaovana an-tranomaizina sy ny fahoriana hafa. Tsy azo raisina ara-bakiteny ny hoe 10<br \/>\nandro, fa midika izany fa amin\u2019ny fotoana voafetra. Mbola manamafy izany fa mijery ny mpanaraka Azy Andriamanitra ary tsy mamela azy ireo hitondra izay tsy zakany.<\/p>\n<p><b>2 \u2013 Famporisihana<\/b><\/p>\n<p>Nitondra famporisihina ho an\u2019ny Fiangonan\u2019I Smyrna ny Tompo: \u201c<i>Aoka ho mahatoky hatramin\u2019ny fahafatesana ianao dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana<\/i>\u201d. Amporisihiny ny Kristiana haharitra hatramin\u2019ny farany, na dia ho faty martiora aza izy ireo satria sahaza azy izany. Izy Tompo mihitsy no hanome ny satroboninahitra fiainana ho tambin\u2019ny fahatokiany sy tsy fivadihany. Atolotra azy miaraka ny fiainana mandrakizay sy ny satroboninahitra, ho voninahitry ny fandreseny. Izay nohambaniana sy natao tsinontsinona tety an-tany no homem-boninahitra any amin\u2019ny fiainana mandrakizay.<\/p>\n<p><b>3 \u2013 Ny fampanantenana ho an\u2019ny mpandresy<\/b><\/p>\n<p>Ny taratasy ho an\u2019ny Fiangonan\u2019I Smyrna dia miafara amin\u2019ity fampaherezana ity: \u201c<i>Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny Fanahy amin\u2019ny Fiangonana<\/i>!\u201d Tamin\u2019ny alalan\u2019ny Fanahiny no nitenenan\u2019ny Tompo tamin\u2019ny fiangonana manokana, fa amin\u2019ny alalan\u2019ity taratasy ity, izay misokatra ho an\u2019ny Fiangonana rehetra, ao anatin\u2019izany iska ao amin\u2019ny Fafats, dia hasaina isika hihaino izay ambarany.<\/p>\n<p>Ny Fanahin\u2019Andriamanitra no mampanantena antsika fa \u201c<i>Izay maharesy dia tsy hosimban\u2019ny fahafatesana faharoa<\/i>\u201d. Ho an\u2019ny tsirairay izany fampanantenana izany fa tsy ho an\u2019ny Fiangonana amin\u2019ny maha-fikambanana azy: ny fandresena izay resahina dia tsy ho an\u2019ny daholobe indray miaraka (collective), fa ho an\u2019ny tsirairay (individuelle), ny tsirairay no tokony hahazo izany.<\/p>\n<p>Raha vao miresaka fandresena dia misy ady izay. Jesoa Kristy no efa nahazo izany fandresena izany na teo amin\u2019ny hazo fijaliana na tamin\u2019ny fitsanganany tamin\u2019ny maty. Efa azo izany. Kanefa ny ady ara-panahy mbola tsy mifarana, tsy maintsy tohizana hatramin\u2019ny farany izany. Ny fandresena dia ho an\u2019izay maharitra amin\u2019ny finoana, ho an\u2019izay mifikitra amin\u2019ny Tompo hatramin\u2019ny fara-fofon\u2019ainy.<\/p>\n<p>Mampanantena azy ireo ny Tompo fa \u201ctsy ho simban\u2019ny fahafatesana faharoa izy\u201d. Ny fanazavana izany dia izao: Ny fahafatesana voalohany dia ny fahafatesana ara-batana izay fantatry ny rehetra. Fa ny faharoa kosa dia ny fahafatesana ara-panahy izay antsoina hoe \u201cafobe\u201d, dia ny toerana hisy ny fijaliana mandrakizay (Apo 20,21). Fahafatesana mandrakizay izany, sazin\u2019izay rehetra nanao ratsy.<br \/>\n<!--nextpage--><br \/>\n<b>IV \u2013 FEHIN-KEVITRA <\/b><\/p>\n<p>Tsy fiangonan\u2019I Smyrna isika fa FPMA mivondrona ao amin\u2019ny Fafats, ary ity taratasy ity dia natao mba hieritreretantsika ihany koa. Natao hampahery antsika izy ity mba hibanjinantsika izay zava-dehibe sy mandrakizay fa tsy ny isan\u2019androntsika fotsiny. Ny lanjan\u2019ny mandrakizay dia zava-dehibe tsy manam-pahataperana noho ny lanjan\u2019 izay mandalo ihany eto an-tany (Les valeurs \u00e9ternelles sont infiniment plus importantes que les valeurs passag\u00e8res de ce monde).<\/p>\n<p>Mamporisika antsika ity taratasy ity ny hananatsika fanapahan-kevitra hentitra ka handaozantsika izay rehetra miendrika fanompoan-tsampy, na dia izay mifandray amin\u2019ny fombafomban\u2019izao tontolo izao ka tsy mifanaraka amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra.<\/p>\n<p>Mampahery antsika izy hahazaka am-paharetana ny fitsapana sy ny fizahan-toetra miseho amintsika, na dia maharary aza, na dia tsy rariny aza, na dia tsy voafaritra aza izay hiafarany\u00a0; satria ireny fitsap\u00e0na ireny no mampiseho amin\u2019izao tontolo izao ny lanjan\u2019ny finoana izay torintsika. Tsy hamela antsika halaim-panahy \u00a0mihoatra izay zakantsika ny Tompo (I Kor.10\u00a0:13), ary raha mahatoky isika, dia ho valiana soa any an-danitra\u00a0! Ny Tompo anie hampahery antsika mba hahatonga antsika ho vavolombelona mahatoky!<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>I &#8211; FAMPIDIRANA 1 &#8211; Ny tan\u00e0nan\u2019i Smyrna Tamin\u2019ny fotoana nanoratana ny Apokalypsy, Smyrna dia tan\u00e0na lehibe\u00a0 sy tsara tarehy, nirehareha noho ny hareny<\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":0,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[87],"tags":[78,21,88,79],"class_list":["post-334","post","type-post","status-publish","format-standard","hentry","category-etudes-bibliques","tag-78","tag-fafats","tag-fampianarana","tag-zaikabe"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/334","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcomments&post=334"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/334\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":336,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/334\/revisions\/336"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fmedia&parent=334"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcategories&post=334"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Ftags&post=334"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}