{"id":566,"date":"2015-04-09T09:33:11","date_gmt":"2015-04-09T08:33:11","guid":{"rendered":"http:\/\/fpmafihobiana.org\/v4\/?p=566"},"modified":"2015-04-09T09:42:56","modified_gmt":"2015-04-09T08:42:56","slug":"toriteny-paska-2015","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/?p=566","title":{"rendered":"Toriteny Paska 2015"},"content":{"rendered":"<h1 style=\"text-align: justify;\"><strong>Asa 10, 34- 43<\/strong><\/h1>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Paska fandresena, Paska fanomezan-toky, Paska fiainana vaovao.<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Fomba fanaon\u2019ny fiangonana ry havana ny mankalaza ny fandresen\u2019i Kristy noho ny nitsanganany tamin\u2019ny maty. Ankalazaina izany satria tena Vaovao Mahafaly tokoa ho an\u2019ny mino.<!--more--><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Ny tenin\u2019Andriamanitra izay anjarantsika amin\u2019ity Paska ity dia ny Asan\u2019ny Apostoly 10, 34- 43. Raha vory i Kornelio &#8211; \u00abizay mpivavaka tsara sady natahotra an\u2019Andriamanitra \u00bb (Asa 10, 2)- raha vory izy sy ny ankohonany ary ny tena sakaizany (and 24) hihaino an\u2019i Petera dia ny ivon\u2019ny finoana kristiana indrindra, izany hoe ny fahafatesan\u2019i Kristy teo amin\u2019ny hazofijaliana sy ny fitsanganany tamin\u2019ny maty no nambaran\u2019i Petera tamin\u2019izy ireo. Isan\u2019izay nambaran\u2019i Petera koa tamin\u2019io fotoana io ny filazana fa io Jesosy io no voatendrin\u2019Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty (and 42).<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Isan\u2019ny fanontaniana apetraky ny maro tokoa matetika ny amin\u2019ity fitsar\u00e0n\u2019Andriamanitra ity \u2013 ahoana ny amin\u2019io ? rahoviana io ? sns. Isan\u2019izay miverina matetika ao ambavan\u2019ny olona koa ny hoe rehefa maty isika dia ahoana ? sy ny hoe nahoana isika no velona eto ?<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Ny fahafatesan\u2019i Kristy teo amin\u2019ny hazofijaliana sy ny fitsanganany tamin\u2019ny maty no mamaly izany fanontaniana rehetra izany. Hazavain\u2019ny hazofijalian\u2019i Kristy sy ny Paska ny fiainan\u2019ny mino na velona izy na maty.<\/p>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Jesosy Kristy fahamarinana sy fanavotana ho antsika<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Jesosy Kristy Mpitsara ny velona sy ny maty hoy Petera. Matetika raha vao miresaka ity fitsarana ity ny olona dia matahotra eny fa na dia ny kristiana aza. Mandinika ny tenany izy, mandinika ny lasany sy izay rehetra nataony ka dia mangovitra sy mivarahontsana. Soa ihany fa teo Kristy!<br \/>\nHoy ny teniny farany teo amin\u2019ny hazofijaliana : \u201cVita\u201d (Jao 19, 30). Vita hoy Jesosy dia maty izy. Vita ny asam-pamonjena nanirahan\u2019ny Ray Azy dia ny fampihavanana ny olombelona amin\u2019Andriamanitra Ray &#8211; vita ny famonjena &#8211; vita ny fitsar\u00e0na \u2013 ka ny valin\u2019ny fitsar\u00e0na dia hoe : marina ianao noho ny amin\u2019ilay maty teo amin\u2019ny hazofijaliana nisolo anao, marina ianao noho ny amin\u2019ilay nitsangana tamin\u2019ny maty ho fanamarinana anao.<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Teo amin\u2019ny fiaraha-monina jiosy tamin\u2019ny andron\u2019ny Testamenta Taloha dia teo amin\u2019ny vavahady no nisy ny fitsar\u00e0na. Koa raha niteny Jesosy ao amin\u2019ny Filazantsaran\u2019i Jaona 10, 9 hoe : \u201cIzaho no vavahady, ny ondriko dia afaka miditra sy mivoaka eo\u201d- izany hoe manana fahafahana tanteraka, ny tian\u2019ny Tompo hambara dia hoe : izaho no mpitsara, ny mino Ahy dia marina \u2013 \u201cfinoana no anamarinana\u201d hoy Paoly (Rom 3, 28) ka tsy misy antony tokony hitsar\u00e0na azy satria Mpitsara marina Jesosy. Sady Mpitsara Jesosy no Mpisolo antsika, tsy hoe mpisolovava fotsiny fa nisolo toerana antsika mihitsy teo amin\u2019ny hazofijaliana, sady Mpitsara Jesosy no mpanamarina antsika tamin\u2019ny nitsanganany tamin\u2019ny maty. Koa inona indray no hotsaraina eo! Vita ho azy ny fitsarana ry havana! Marina ianao noho ny amin\u2019i Kristy!<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Nambaran\u2019i Jesosy mivantana izany ao amin\u2019ny Jaona 3, 18 : \u201cIzay mino Ahy hoy Izy dia tsy tsaraina\u201d. Nohamafisiny izany tao aorianan\u2019io: \u201cIzay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina\u201d(Jao 5, 24). Indraindray rehefa misy zavatra mifamahofaho beniany eo amin\u2019ny fiainana dia hoy ny sasany : \u201csamy mbola hotsaraina e!\u201d. Mbola ho avy tokoa ny fitsar\u00e0na fa tsy ho an\u2019ny mino izany. \u201cNy tsy mino ihany no tsaraina sady efa voaheloka rahateo\u201d hoy Jesosy (Jao 3, 18) &#8211; (Jereo koa Jao 12, 31-33 : ny fahafatesan\u2019i Jesosy Kristy teo amin\u2019ny hazofijaliana no fotoanan\u2019ny fitsar\u00e0na).<\/p>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Iza na inona no atao hoe mino?<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Ny \u201cmino\u201d dia olona manaiky ho an\u2019ny tenany ny fahafatesan\u2019i Jesosy Kristy teo amin\u2019ny hazofijaliana, ny mino dia manaiky ho an\u2019ny tenany ny fitsanganan\u2019i Kristy tamin\u2019ny maty. Amin\u2019ny teny hafa, ny mino dia olona efa nihaona tamin\u2019ny Tompo \u2013 na dia tsy hitan\u2019ny masony aza Kristy dia velona ao anatiny \u2013 velona eo amin\u2019ny fiainany &#8211; mitafy an\u2019i Kristy sy ny fiainam-baovao avy Aminy izy ary manana firaisam-piainana Aminy &#8211; Kristy velona ao aminy ary izy velona ao amin\u2019i Kristy.<\/p>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Lehibe ny fitiavan\u2019i Jesosy antsika<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Izao koa ry havana : raha maty ianao, ny vadinao izay tia anao tokoa ary milaza aminao isan\u2019andro isan\u2019andro fa tia anao &#8211; raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, ny zanakao izay tia anao tokoa ary milaza aminao isan\u2019andro isan\u2019andro fa tia anao &#8211; raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, ny namanao izay milaza aminao isan\u2019andro isan\u2019andro fa tia anao &#8211; raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, fa Jesosy kosa raha maty ianao &#8211; miaraka milevina aminao ao am-pasana izy (Rom 6, 3-4) &#8211; tsy mamela anao irery ao Izy. Jesosy Kristy no tia anao indrindra! Izany no anton\u2019ny sabotsy masina ry havana. Ho ahy ny anton\u2019ny sabotsy masina, ho anao ny anton\u2019ny nipetrahan\u2019i Jesosy tao am-pasana. Amin\u2019ny fotoana izay tena maha-mafy indrindra ny adinao tsy misaraka aminao Kristy ! Tsy tahotra ho anao intsony ny fahafatesana!<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Fanampin\u2019izany, Kristy tsy tavela tao am-pasana fa nitsangana tamin\u2019ny maty (Mat 28, 1-20 ; Mar 16,1-20 ; Lio 24, 1-11 ; Jao 1-29). Resiny ny fahafatesana. Maty ny fahafatesana! Tsy ny fahafatesana intsony no mametra ny fiainana fa ny fiainana no mametra ny fahafatesana. Ho faty ihany ny mino fa ny fahafatesany dia tsy hafa fa fiatombohan\u2019ny fiainany vaovao ao amin\u2019Andriamanitra. Tsy maty ny mino io milevina ao am-pasana io fa velona ao amin\u2019Andriamanitra. Tsy mahasakana ny firaisam-piainan\u2019ny mino amin\u2019i Kristy ny fahafatesana. Ary mbola ho avy ny andro izay hananganan\u2019Andriamanitra azy amin\u2019ny fotoana voatendriny ho amin\u2019izany. \u201cIzaho no fananganana ny maty sy fiainana hoy Jesosy, izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray\u201d (Jao 11, 25) \u2013 \u00ab ary izaho hanangana azy amin\u2019ny andro farany \u00bb (Jao 6, 40).<\/p>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Mahasahana ny maha-olona manontolo ny famonjen\u2019i Kristy<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Ankoatra izany ry havana, ny fandresen\u2019i Kristy dia mahasahana ny zavatra rehetra fa tsy ny momba ny fivavahana ihany akory na ny hoe ny any ankoatra ihany. Ny famonjen\u2019i Kristy dia mahasahana ny maha-olona manontolo.<br \/>\nNy irariana dia amin\u2019ny sehatra rehetra na politika na ekonomika na sosialy na siansa na tantara na kolotsaina na ny ho avy na ny tanjona na ny tetik\u2019asa na ny miafina na ny miharihary, na amin\u2019ny mora na amin\u2019ny sarotra -amin\u2019izany rehetra izany na amin\u2019inona na amin\u2019inona dia ny herin\u2019ny fitsanganan\u2019i Kristy tamin\u2019ny maty no hamirapiratra.<\/p>\n<h1 style=\"text-align: justify;\">Misionera ny mino<\/h1>\n<p style=\"text-align: justify;\">Loha-laharana amin\u2019ny fijoroana vavolombelona amin\u2019izany sehatra rehetra izany ny fiangonana, ny mino. Efa nomen\u2019Andriamanitra anao ny lanitra noho ny amin\u2019i Kristy \u2013 tsy manana tebiteby ny amin\u2019izany intsony ianao &#8211; efa vitan\u2019i Jesosy ny famandrihana ny toeranao any &#8211; tsy mampisalasala intsony ny any.<br \/>\nKoa satria tsy manana tebiteby ny amin\u2019izany intsony ianao dia afaka ny hijoro ho vavolombelon\u2019ny Tompo am-pitiavana &#8211; hanandratra ny asam-pamonjen\u2019i Kristy amin\u2019ny teny sy amin\u2019ny asa mba hampisy fiainana velona be dia be ho an\u2019ny manodidina anao \u2013 mpiombona misiona amin\u2019Andriamanitra ianao amin\u2019izany \u2013 misionera ianao no eto &#8211; tsy asa mividy famonjena izany fa asa vokatry ny famonjena. Koa mahereza fa Andriamanitra momba anao \u2013 tia anao ary mampahery anao.<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">Voninahitra ho an\u2019Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin\u2019ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.<\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><em>ANDRIALAMPISON Naina, Mpitandrina<\/em><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Asa 10, 34- 43 Paska fandresena, Paska fanomezan-toky, Paska fiainana vaovao. Fomba fanaon\u2019ny fiangonana ry havana ny mankalaza ny fandresen\u2019i Kristy noho ny nitsanganany<\/p>\n","protected":false},"author":1,"featured_media":0,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[63],"tags":[],"class_list":["post-566","post","type-post","status-publish","format-standard","hentry","category-predications"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/566","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/users\/1"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcomments&post=566"}],"version-history":[{"count":5,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/566\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":574,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/566\/revisions\/574"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fmedia&parent=566"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcategories&post=566"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Ftags&post=566"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}