{"id":834,"date":"2016-04-29T16:37:43","date_gmt":"2016-04-29T15:37:43","guid":{"rendered":"http:\/\/fpmafihobiana.org\/v4\/?p=834"},"modified":"2016-04-29T16:37:43","modified_gmt":"2016-04-29T15:37:43","slug":"hebreo-toko-faha-9-sy-toko-faha-10","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/?p=834","title":{"rendered":"Hebreo toko faha 9 sy toko faha 10"},"content":{"rendered":"<p style=\"text-align: center;\"><span style=\"font-size: 24pt;\"><strong><span style=\"font-family: georgia, palatino, serif; color: #003366;\">NY RAN\u2019I KRISTY: FANAVOTANA HO ANTSIKA\u00a0<\/span><\/strong><\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Voalaza ao amin\u2019ny 9, 22 fa raha tsy misy r\u00e0 latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana teo amin\u2019ny Testamenta Taloha. Ny Levitikosy 16 ohatra dia mitantara ny famonoana osilahy na ondrilahy natao fanatitra noho ny ota.<\/span><br \/>\n<span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Izany fanatitra voalazan\u2019ny Testamenta Taloha izany anefa dia tsy mahaisotra ota satria raha mahaisotra ota izany hoy ny mpanoratra ity episitily ity dia tsy ho naverimberina isan-taona (10, 1-4). Tsy mahaisotra ota ireny fanatitra alatsa-dr\u00e0 ireny satria tsy sitrak\u2019Andriamanitra (10, 5-6) noho izy ireny naterina araka ny lal\u00e0na (10,8). Ny lal\u00e0na no nanery ny mpisorona nanao azy. Tsy sitrak\u2019Andriamanitra izany.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Ny sitrak\u2019Andriamanitra dia izay vokatry ny fo. Ny sitrak\u2019Andriamanitra dia ny fanaovana ny sitrapony am-pitiavana fa tsy izay avy amin\u2019ny faneriterena avy amin\u2019ny lal\u00e0na akory. Izany no nahatonga an\u2019i Jesosy hiteny hoe: \u201cInty aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra \u00f4\u201d (10, 7. 9) dia nanatitra ny tenany am-pitiavana Izy, nanolotra ny tenany hatao fanatitra.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><span style=\"color: #003366;\"><strong>Ny r\u00e0n\u2019i Kristy<\/strong><\/span><\/span><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><br \/>\nI Kristy dia tsy mba nitondra r\u00e0n\u2019osy na r\u00e0n\u2019ondry natao fanatitra, fa ny r\u00e0n\u2019ny tenany no natolony (9, 12). Marihana anefa, fa tsy Andriamanitra Ray no mila ny r\u00e0n\u2019i Kristy hanadiovana ny tenany. Tsy Andriamanitra no nanota. Sanatria izany! Misy mihevitra fa ny faharatsiampon\u2019Andriamanitra dia tsy maintsy toniana amin\u2019ny r\u00e0n\u2019ny tsy manan-tsiny, amin\u2019ny r\u00e0n\u2019ny Zanak\u2019ondry. Misy mihevitra an\u2019Andriamanitra ho mpamaly faty.\u00a0<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Tsy izany no hambaran\u2019ny Soratra Masina. Tsy Andriamanitra Ray no mila r\u00e0 hanadiovana ny tenany fa isika no mila ny r\u00e0n\u2019ny Zanak\u2019ondry, isika no mila ny r\u00e0n\u2019i Kristy hanadio antsika.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Andriamanitra dia fitiavana ary ny l\u00e0lana mankeo Aminy dia mivoha mandrakariva amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy. Mba hahazoana miditra ao dia mila ny r\u00e0n\u2019i Kristy isika hanadio antsika.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><strong><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><span style=\"color: #003366;\">Inona no zava-mitranga amin\u2019ity hoe fanavotana amin\u2019ny r\u00e0n\u2019i Kristy ity?<\/span><\/span><\/strong><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><strong><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">1) Ny r\u00e0n\u2019i Kristy no manadio antsika.<\/span><\/strong><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Diovina isika satria mpanota no sady manao heloka isan\u2019andro. Mpanota isika satria nandova ota (Rom 5, 12). Vokatr\u2019izany fandov\u00e0na ota izany dia misy fitongilanana amin\u2019ny ratsy ao anatintsika ao (Sal 14, 3). Koa dia manota sy manao heloka isan\u2019andro isika.<br \/>\nSamihafa ny atao hoe heloka sy fahotana. Ohatra no entiko hanazavana azy. \u201cNy hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy\u201d (Mat 7, 17). Ny heloka dia oharina amin\u2019ny voa ratsy avy amin\u2019ny hazo ratsy izay manondro ny fahotana. Araka izany, ny heloka dia vokatry ny fahotana. Ny fahotana dia ny tsy finoana an\u2019Andriamanitra, ny fandavana an\u2019i Kristy. Ny heloka dia ny halatra ohatra, ny fankahalana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Mandram-piala eto an-tany dia manongotra io hazo ratsy io hatrany isika.<br \/>\n<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Ny r\u00e0n\u2019i Kristy no manadio antsika amin\u2019izany rehetra izany mba hananantsika toky mandrakizay fa tsy miova ny fitiavan\u2019Andriamanitra antsika.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><strong><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">2) Ny r\u00e0n\u2019i Kristy no mampihavana antsika amin\u2019Andriamanitra Ray<\/span><\/strong><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">\u201cIanareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken\u2019ny r\u00e0n\u2019i Kristy\u201d hoy ny apostoly Paoly (Efes 2, 13) manambara ireo jentilisa tsy nanana an\u2019i Kristy fahiny, fa ankehitriny kosa dia ao amin\u2019Andriamanitra noho ny r\u00e0n\u2019i Kristy. \u201cKristy no ananantsika fanavotana amin\u2019ny r\u00e0ny dia ny famelana ny fahadisoantsika\u201d (Efes 1, 7). Eo amin\u2019izay misy famelan-keloka no misy famonjena sy fihavanana amin\u2019Andriamanitra. Rehefa mangataka famelan-keloka amin\u2019Andriamanitra isika dia angatahina amin\u2019ny anaran\u2019i Kristy izany fa Andriamanitra Ray dia mijery antsika sy mandray antsika amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Amin\u2019ny teny hafa dia hoe Jesosy Kristy no mitondra antsika eo amin\u2019Andriamanitra Ray rehefa nodioviny tamin\u2019ny r\u00e0ny isika.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><strong>3) Ny r\u00e0n\u2019i Kristy koa no manao famoronam-baovao amin\u2019ity tenan\u2019ny fahafatesana ity noho ny asan\u2019ny Fanahy Masina<\/strong><\/span><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Noho ny fahotana dia mizotra ho amin\u2019ny fahafatesana isika, tsy ny nofo ihany fa isika manontolo. Izao anefa no nanehoan\u2019Andriamanitra ny fitiavany antsika araka ity Hebreo ity: \u201cIzao no fanekena ataoko aminy hoy Jehovah:\u00a0<\/span><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">ataoko ao am-pony ny lal\u00e0ko sady soratako ao an-tsainy\u201d (10, 16). Ny faneken\u2019Andriamanitra dia Izy Andriamanitra no manatanteraka azy, Izy no mandray ny andraikitra rehetra mba hahatanteraka izany fanekena izany.<br \/>\nIzany no antony nanomezany an\u2019i Jesosy Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina ho an\u2019izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina no manoratra ny lal\u00e0na ao am-pon\u2019ny olona ary ny r\u00e0n\u2019i Kristy no ranomainty anoratany azy. Ny Fanahy Masina no mamboly finoana ao am-pon\u2019ny olona \u2013 izany finoana izany dia miorina amin\u2019i Kristy sy ny asam-pamonjeny.<br \/>\nAraka izany, ny famelan\u2019Andriamanitra heloka (sy\/na fahotana) dia midika ho fandraisan\u2019Andriamanitra ilay olona ho Azy tanteraka. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin\u2019ny marina rehetra izy. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin\u2019ny fibebahana marina.<br \/>\nNy fibebahana marina dia ny fanekena ny tena fa mpanota sy olo-meloka (fantatra izany fahotana na heloka izany &#8211; angatahina amin\u2019ny Fanahy Masina ny fampahafantarana izany). Ary ny vokatr\u2019izany fiaikena izany dia nenina lalina ao am-po sy fifonana ary fanekena ny herin\u2019ny r\u00e0n\u2019i Kristy sy faniriana fatratra ny hosasan\u2019izany. Manomboka hatreo, dia toetra vaovao avy amin\u2019ny Fanahy Masina no sitrany sy ataony ary mangataka isan\u2019andro amin\u2019ny Tompo izy mba hampitoetra tsara azy amin\u2019izany.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Ny fibebahana marina dia manohitra ny \u201csyst\u00e8me de p\u00e9remption\u201d ilay manao hoe ataoko ity dia mifona amin\u2019Andriamanitra aho, ataoko ihany indray ity dia mifona aho, ataoko ihany ity dia mifona aho. Ny fibebahana marina dia fandraisana fiainam-baovao avy amin\u2019ny Fanahy Masina.<br \/>\n\u201cKoa raha misy olona ao amin\u2019i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo\u201d (II Kor 5, 17) hoy Paoly.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><span style=\"color: #ff0000;\"><strong>Jesosy Kristy mipetraka eo an-t\u00e0nana an-kavanan\u2019Andriamanitra Ray (10,12b),<\/strong><\/span> mifona ho antsika isan\u2019andro isan\u2019andro (Rom 8, 34). Noho ny Amiko Ray \u00f4 dia avelao ny helony sy ny fahotany. Midika izany fa mbola miasa Kristy, ary azo antoka ny asany. Vokatr\u2019izany: \u201cNy fahotan\u2019ny olona sy ny helony dia tsy hotsarovan\u2019Andriamanitra intsony\u201d (10, 17).<br \/>\nAndriamanitra rehefa mamela antsika dia mamela tanteraka. Azo antoka ny famelany heloka (sy\/na fahotana). Misy olona izay mbola andevon\u2019ny lasa; heloka (sy\/na fahotana) efa navelan\u2019Andriamanitra 10 taona lasa ohatra dia mbola tsiahiviny ihany ka angatahana famelana indray ankehitriny.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><br \/>\nHatreo amin\u2019ny nanoloran\u2019i Jesosy Kristy ny tenany, dia tsy misy fandatsahan-dr\u00e0 intsony ho famonjena. Ampy ho mandrakizay ny r\u00e0n\u2019i Kristy (10, 12.14) &#8211; ny r\u00e0n\u2019i Kristy dia manadio tanteraka 100%, hatramin\u2019izay miafina indrindra; tsy ny lasa ihany fa hatramin\u2019ny fieritreretantsika aza dia dioviny ho afaka amin\u2019 ny asa maty rehetra mba hanompoantsika an\u2019 Andriamanitra velona (9, 14).<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><strong><span style=\"color: #ff0000;\">Mipetraka eo an-t\u00e0nana an-kavanan\u2019Andriamanitra Ray i Kristy Jesosy mandrampanaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony (10, 12b-13).<\/span><\/strong><\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Fotoana interm\u00e9diaire izao ; fotoana eo anelanelan\u2019ny nandresen\u2019i Kristy an\u2019i Satana sy ny hanorotoroany azy ireo amin\u2019ny farany. Izany hoe, amin\u2019izao androntsika izao dia mbola velona Satana ary mbola miasa na dia efa noresen\u2019i Kristy tamin\u2019ny nitsanganany tamin\u2019ny maty aza.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\">Mbola hitantsika amin\u2019izao androntsika izao ohatra ny fisian\u2019ny kiakiaka sy tomany, taraina vokatry ny ataon\u2019i Satana sy ny miaramilany, mbola hitantsika koa ny avonavona, ny adilahy, ny tsy fitiavana, ny fitokana-monina tsy mila ny hafa, sns.<br \/>\nMandrampiala eto an-tany dia miady amin\u2019io Satana io hatrany isika. Raha mbola velona ka mifoka rivotra hoy Paoly apostoly dia misy hatrany ny adin\u2019ny mino \u201camin\u2019ny fanahy ratsy eny amin\u2019ny rivotra\u201d (Efes 6, 12).<br \/>\nIzao anefa no tokintsika ry havana: fahavalo efa noresen\u2019i Kristy Satana! Ary izany fandresen\u2019i Kristy izany no santatry ny fandresen\u2019ny mino! Jesosy no herintsika &#8211; tsy miady irery isika, fa Izy no miady ho antsika ary mampandresy antsika! Hoy ny apostoly Paoly milaza izany: \u201cManoatra noho ny mpandresy isika amin\u2019 ny alalan\u2019 ilay tia antsika. \u00bb (Rom 8, 37). Hoy koa ny apostoly Jaona ao amin\u2019ny Apok 12, 11: \u201cAry izy ireo (ny mino \u2013 ny fiangonana) dia naharesy azy (Satana sy ny miaramilany) noho ny amin\u2019ny r\u00e0n\u2019ny Zanak\u2019ondry sy ny teny filazana Azy.\u201d<br \/>\nNy vavaka ataon\u2019ny mino &#8211; vavaka fiadiana amin\u2019Ilay ratsy dia fiadian\u2019Andriamanitra atolony antsika. Ny asan\u2019ny fiangonana izay mitory fanafahana, fampihavanana sy fiadanana dia fiaraha-miasa amin\u2019Andriamanitra.<br \/>\n<strong> Mivavaka mandrakariva isika mba tsy ho azon\u2019Ilay ratsy. Ny vavaka eto dia tsy fombafomba fa tena fanankinam-po tanteraka amin\u2019Andriamanitra, tena fiantsoantsoana an\u2019Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana, tena firaisan\u2019aina tanteraka amin\u2019i Kristy, fiainana toy rivotra.<\/strong><\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif;\"><em>\u201cJesosy Kristy tsy fomba fa fiainana\u201d.<\/em><\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><strong><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #ff0000;\">Ny finoana marina: miandry ny famonjen\u2019i Kristy amin\u2019ny finoana \u2013 amin\u2019ny fahanginana<i>.<\/i><\/span><\/strong><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Hitantsika eo amin\u2019ny fiainantsika na ny manodidina antsika anefa, fa na dia mivavaka aza isika dia mety ianjadian-javatra mampalahelo ihany ny fiainantsika. Mety ho azon-doza na zava-dratsy tsy ampoizina noho ny<br \/>\n6<br \/>\nataon\u2019ny sasany. Tsy midika akory izany hoe niala tamintsika Andriamanitra ka mampisalasala ny fiainan-koavintsika rahatrizay.<br \/>\nAndriamanitra miaraka amintsika Izy na hatrany am-pasana aza. \u201cFa ny nanateran\u2019i Kristy ny tenany indray mandeha no nahatanterahany ho mandrakizay ny fanamasinana antsika\u201d (10, 14). Ny hoe \u201colona masina\u201d na \u201colona hamasinina\u201d dia olona nofidian\u2019Andriamanitra ho Azy na velona na maty.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Ny mino dia matoky ny r\u00e0n\u2019i Kristy ary mivavaka mandrakariva mba tsy hahazo azy Ilay ratsy. Ary raha sanatria ianjadian-javatra avy amin\u2019Ilay ratsy izy dia mivavaka mba tsy ho azon\u2019ny fakam-panahy.<br \/>\nNy fakam-panahy eto dia ny fanaovana ny fomban\u2019i Jodasy. Ny maha Jodasy an\u2019i Jodasy dia tsy ilay vola telopolo notakiany hamadihana an\u2019i Jesosy akory satria naveriny io, fa ny fanereny an\u2019i Jesosy: raha Zanak\u2019Andriamanitra Ianao dia asehoy tokoa izany maha-Zanak\u2019Andriamanitra Anao izany raha tamy hamely Anao ny fahavalo.<br \/>\nIzany no fomban-Jodasy, hevitra toa marina nefa mifanohitra amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra. Ny sitrapon\u2019Andriamanitra dia ny hanome tanteraka an\u2019i Jesosy Kristy Zanany ho an\u2019izao tontolo izao.<br \/>\nEnga anie mba tsy hanao fomban-Jodasy ny mino ka hanao hoe raha Andriamanitra mahery noho i Satana tokoa Izy nahoana aho na ny olon-tiako no marary na hiaram-boina toy izao? Nahoana no tsy asehony fa Izy tokoa no Kristy?<br \/>\nNy mino dia matoky ary miandry ny famonjen\u2019i Kristy amin\u2019ny finoana -amin\u2019ny fahanginana. Fantany fa saro-pantarina tsy takatry ny saina Andriamanitra sy ny l\u00e0lany (Joba 38). Ary matoky izy fa ampy azy tokoa ny r\u00e0n\u2019i Kristy<\/span><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><strong><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #ff0000;\">Ampy antsika ny r\u00e0n\u2019i Kristy<\/span><\/strong><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Mitsatoka eto ny hazofijaliana! Mitete ao amin\u2019ny fiangonana ny r\u00e0n\u2019i Kristy! Ianao dia an\u2019Andriamanitra na matory na mifoha na salama na marary na<br \/>\n7<br \/>\nmaty na velona. Ary mbola ho avy ny andro izay hanaovan\u2019i Kristy io Satana io ho fitoeran-tongony (10, 13) ka tsy ho afaka hiasa sy hamitaka ny zanak\u2019Andriamanitra intsony izy. Hohidin\u2019ny herin\u2019i Kristy ho amin\u2019ny fahafatesana mandrakizay izy.<br \/>\nMitete ao amin\u2019ny fiangonana ny r\u00e0n\u2019i Kristy!<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hanadiovan\u2019i Jesosy Kristy ny olona amin\u2019ny r\u00e0ny amin\u2019ny alal\u00e0n\u2019ny batisa mba tsy ho hita sy tsy ho tsarovana mandrakizay intsony ny fahotany.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no handraisan\u2019i Kristy ireo maditra ka mitady marina ny famonjena.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hanambatambazany ireo mafy atoka mba hahafoy ny l\u00e0lany.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no handraisany ireo mpiavonavona tsy mahavonjy tena, vonona handray fiainam-baovao.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no handraisany ireo manana fo torotoro sy mangorakoraka.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hampaherezan\u2019i Kristy ireo mamoifo \u2013 ireo kivy sy ketraka amin\u2019izao fiainana izao \u2013 ireo tampi-dalan-kaleha sy tsy mahita hosarangotina.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no handraisany ireo bodo sy adala \u2013 ireo ahilikiliky ny fiaraha-monina sy lazainy ho tsy misy vidiny intsony.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hitehirizan\u2019i Kristy ireo rahalahiny sy anabaviny mahatoky Azy amin\u2019ny finoana.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hitantanany ireo mpivahiny trotraka mba tsy ho solafaka.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hisakambinany ireo zahan-toetra mafy loatra mba tsy hanary ny finoana.<br \/>\nAo amin\u2019ny fiangonana no hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay amin\u2019ny alalan\u2019ny teniny sy ny sakramenta.<br \/>\nKa amin\u2019izany dia ao amin\u2019ny tenan\u2019i Jesosy Kristy no handraisan\u2019Andriamanitra antsika sy hizar\u00e0ny ny heriny sy ny fiainany mandrakizay amintsika.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Ao amin\u2019ny r\u00e0n\u2019ny fanekena mandrakizay izay entin\u2019i Kristy eo anoloan\u2019ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra no miombona ho mandrakizay isika olombelona sy Andriamanitra.<br \/>\nKoa raha mbola velona koa Kristy dia tsy hisy hahasaraka antsika amin\u2019Andriamanitra na inona na inona, na iza na iza. \u201c Iza no hahasaraka antsika amin\u2019ny fitiavan\u2019i Kristy? Hoy Paoly. Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?<br \/>\nMiombom-peo amin\u2019i Paoly isika ka matoky fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin\u2019izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin\u2019ny fitiavan\u2019Andriamanitra izay ao amin\u2019i Kristy Jesosy Tompontsika. \u00bb (Rom 8, 35. 38)<br \/>\nSambatra izay manana an\u2019i Kristy ry havana! Kristy izay Vato fehizoron\u2019ny fanjakan\u2019Andriamanitra (Efes 2, 20). Ny fiangonana no vavahadin\u2019izany fanjakan\u2019Andriamanitra izany ary ny r\u00e0n\u2019i Kristy dia mitete eo. Ary dia sitrak\u2019Andriamanitra tokoa no sady maminy indrindra ny itoerantsika olombelona miaraka Aminy ao amin\u2019izany fanjakana izany.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Mazotoa manolo-tena isan\u2019andro ho an\u2019Andriamanitra ry havako. Inty aho Andriamanitra \u00f4, mifona tanteraka Aminao. Inty aho Andriamanitra \u00f4, tena hivavaka marina tokoa. Raiso ny foko Tompo \u00f4, ampaherezo aho. Meteza hanaiky ny tenin\u2019i apostoly Petera manao hoe: \u201c Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon\u2019ny jentilisa&#8230;\u201d (I Pet 4, 3) dia ho hitanao ny hatsaran\u2019Ilay tia anao indrindra \u2013 dia Ilay nandatsaka ny r\u00e0ny ho fanavotana anao.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #333333;\">Voninahitra anie ho an\u2019Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin\u2019ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: justify;\">\n<p style=\"text-align: right;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #000000;\">Zaranaina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina.<\/span><\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><span style=\"font-size: 14pt; font-family: 'comic sans ms', sans-serif; color: #000000;\">Fampianarana natao tamin&rsquo;ny 28 Febroary 2016, tao amin&rsquo;ny FPMA Fihobiana-Paris<\/span><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>NY RAN\u2019I KRISTY: FANAVOTANA HO ANTSIKA\u00a0 Voalaza ao amin\u2019ny 9, 22 fa raha tsy misy r\u00e0 latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana<\/p>\n","protected":false},"author":2,"featured_media":0,"comment_status":"closed","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[87],"tags":[],"class_list":["post-834","post","type-post","status-publish","format-standard","hentry","category-etudes-bibliques"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/834","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/users\/2"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcomments&post=834"}],"version-history":[{"count":12,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/834\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":846,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/834\/revisions\/846"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fmedia&parent=834"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcategories&post=834"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/fpmafihobiana.org\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Ftags&post=834"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}