Fankalazàna 15e Tafo SVK

Ny SVK dia mampahafantatra antsika mpianakavin’ny finoana fa hanantanteraka ny fankalazàny ny faha- 15 taonan’ny Tafo, ny sabotsy 26 Jona 2021

Izany fankalazàna izany dia hizara roa :

  • Ny antoandro dia hisy fivarotana sakafo à emporter, hamidy amin’ny vidiny mirary : 20€ ny lehibe ary 10€ ny ankizy, ka hanasàna antsika rehetra eny amin’ny Foyer de Grenelle, 17 rue de l’Avre Paris 15e, manomboka amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora .
  • Ny hariva manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina kosa dia hisy fankalazàna tsy mifanatrika (célébration virtuelle) nomanin’ny SVK rehetra, ary harahina conférence débat miompana @ Minimalisme, iarahana @ Mino Rakotozandriny.

Manasa antsika rehetra ary aoka isika hifampilaza !