“Ka manolora fanatitra an-tsitrapo,
izay homenao araka izay nitahian’ny Tompo Andriamanitrao anao”
Deotoronomia 16.10
Fanateram-bokatra FPMA Fihobiana-Paris
Ny Alahady 05 Martsa 2023 ka hatramin’ny Alahady 02 Aprily 2023
Satria ny finoantsika dia fifandimbiasan’ny fahatsiarovan-tena nandray fitahiana sy fahasoavana. Koa mahatsiaro sambatra ny mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FPMA Fihobiana -Paris satria nandray fitahiana tsy tapaka avy amin’ilay TOMPO Andriamanitra.
Manolotra ny fankasitrahana mitafotafo NY TOMPO Andriamanitra ny mpiangona satria Izy irery ihany no Masina sady mendrika ny Fiderana araka ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, TOMPO Andriamanitrareo.” Lev 19.2.
Dia mametraka ny fotoana rehetra eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy masina isika.
Ho an’NY TOMPO Andriamanitra irery ny voninahitra ary ny fitahiany kosa ho eo amintsika rehetra.
