« Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany ; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany » (II Kor 9:6)
Ry havana,
Fifaliana ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA FIHOBIANA-PARIS ny manasa anao/anareo ho tonga hanatrika sy hifanotrona ary hifanome tànana amin’ny VOKA-DEHIBE izay karakaraintsika ny ASABOTSY 05 OKTOBRA 2013 manomboka amin’ny 12 ora, ao amin’ny “Salle paroissiale – 54 rue de Torcy – Paris 18è”.
« Déjeuner Concert » hafanain’ny FPMA FIHOBIANA-PARIS, ny sampana, ny STK ary ny tarika ANTSA PRAISE no hataontsika amin’izany!
Koa ento miaraka aminao ny fianakavianao, ny tapaka sy namana, fa tsy anenenanao ny fahatongavanao any, satria ny adidy ho vita, ny aim-panahy ho azo. Sady ho voky ny kibo no ho voky koa ny fanahy!
Mirary ny fahatongavanao, ry Havana, ary manantena hifanatri-tava aminao ny ASABOTSY 05 OKTOBRA 2013 manomboka amin’ny 12 ora!

