Lundi de Pentecôte 2023

« Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny  mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra » ‭‭Mpitoriteny‬ ‭2‬:‭24

Ny alatsinainy 29 mey (Lundi de Pentcôte) dia hiarahan-tsika mitsangatsanga eny amin’ny Parc de la Plage-Bleue, Valenton, manomboka amin’ny 10ora maraina.
Samy hitondra izay tiana. Azontsika hatao ny mitondra hena, hatono eny an-toerana.