Melun faha 17 febroary 2013
« Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra, Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha. » Sal 91:1
Ho an’ny Mpiandraikitra eto FAfAts,
Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FAfAts,
Miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa amin’izao Alahady Voalohany
amin’ny Karemy izao.
Indreto ampitaina aminareo ny vaovao farany eto amin’ny Faritanintsika :
- Alakamisy Masina : isan-taona manomboka izao, dia hanao Alakamisy Masina miaraka isika eto amin’ny FAfAts. Amin’ity taona ity dia ny 28 Marsa izao no ho tanterahantsika izany. Ny toerana dia ho lazaina miandalana.
- Zaikabem-paritany : araka ny efa voalaza dia hatao ny 13 – 14 Aprily izao ny zaikabem-paritany, any Jambville (SGDF – Château de Jambville – 78440 Jambville)
- Manomboka ny sabotsy maraina (fandraisana ny mpizaika) hatramin’ny alahady hariva
- Ny sabotsy atoandro dia sakafo agapé (samy mitondra sakafo dia hiarahamihinana)
- Saran-dasy : pension complète ho an’ny lehibe 45€, ny ankizy 37,50€ (5 taona ka hatramin’ny 12 taona).
- Sakafo fotsiny (sabotsy hariva sy alahady atoandro, tsy matory) : 25€
- Sakafo iray fotsiny : 15€
- Daty farany handraisana ny fisoratana anarana miaraka amin’ny « arrhes »50% : 16 Marsa hariva
- Ny fandaharana dia hampitaina amin’ny Tafo miandalana
Ny fiadanan’ny Tompo anie hirotsaka aminareo tsirairay avy.
Amin’ny anaran’ny Birao FafAts
Dina RATSIMBAZAFY
Filohan’ny Faritany