Ry Havana malala,
Hampitomboina eo aminao mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.
« Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. »
Izany tenin’ny Soratra Masina nalaina tao amin’ny Hebreo 10. 25 no entiko hanomezana anareo ny fizotran’ny fotoana manaraka :
1. Ny Alahady 24 Martsa :
Alahadin’ny sampan-drofia, dia hiara-hidera an’Andriamanitra amin’ny EUPL (Eglise Unie Pentemont-Luxembourg) isika ao amin’ny ERF Pentemont 106 rue de Grenelle 75007 Paris (M.12 Station “Solférino”).
Noho izany, dia mikatona ny fiangonana rue Madame fa hany Pentemont isika no mivavaka.
Hisy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Ny sampana ato aminintsika, dia handray anjara feno amin’ny fanompoam-pivavahana.
Ny AM Fihobiana sy ny STK dia manana anjara hira roa hiarahana. Noho izany, mba hafahanareo mamerin-kira miaraka, dia natokana ho anareo AM Fihobiana sy ny STK ny salle des psaumes manomboka amin’ny 9h30 ka hatramin’ny 10h15.
Ny Mpitandrina Roger dia hiara-hitarika ny fotoana amin’ireo Pasteur’ny EUPL.
Mampiomana antsika rehetra, indrindra indrindra ireo manan-anjara, mba ho tonga mialoha. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 10 ora sy sasany tsy diso.
Hisy fiaraha-misakafo (Agape) aorian’ny fotoam-pivavahana izay hanasantsika rehetra. Ny mpiangon’ny EUPL dia mba maniry hanandrana sakafo malagasy. Noho izany, dia anjarantsika ny manao ny sakafo. Toy izao ny menu :
· Voanjobory sy henakisoa
· Ravitoto sy henakisoa
· Vary
· Rougaille
Efa misy fandaminana napetraka izay nangatahana fandraisana anjara tamintsika. Koa misaotra eram-po ho antsika rehetra tamin’ny fahavonoana.
2. Alakamisy Masina (28/03/2013)
Ny fanompoam-pivavahana dia hatao ao amin’ny 106 rue de Grenelle 75007 Paris (M.12 Station “Solférino”) amin’ny 19h.
Hisy Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’iny fotoana iny.
3. Zoma Masina (29/03/2013)
Ny fotoana dia ho tanterahina ao amin’ny ERF Pentemont ihany 106 rue de Grenelle 75007 Paris (M.12 Station “Solférino”) amin’ny 19h.
Hisy fandraisana anjaran’ny sampana. Ny AM Fihobiana dia hanatanteraka Antsam-panahy.
4. Alahady 31 Martsa – Paska
Ny fankalazana ny Paska dia hatao ao amin’ny ERF Luxembourg 58, rue Madame 75006.
Dia mangataka anao hitrotro amim-bavaka an’ireo fotoana rehetra ireo.
Misaotra indrindra, tompoko, amin’ny fiaraha-miàsa.
Ny Tompo manakarem-pahasoavana anie homba sy hitahy antsika rehetra.
Hery Randrianarisoa
FPMA Fihobiana-Paris
Filoha
