Hira faneva Xe – « Fihobiana »

Tononkira :

FIHOBIANA (RABAKO RALAMBONIRINA Jean Jacques)

1. Indreto izahay ry Ray
Mitory ny Anaranao
Ka saotra,dera,laza indray
No indro aterinay izao

2.Natambatrao ho iray ny fo
Fanahy sy saina, hery koa
Hitondra ny hafatrao an-kira
Satria ilay teninao no sira

3. Isaoranay Ianao ry Tompo
Fitiavanao anay mpanompo
No manazava anay ny teny
Ho fiainanay tokoa ireny

Isan’andininy
Fa sitrakay sy telinay
Ny Fihobiana Anao ry Ray
Ny feonay asandratray
Hitory Anao mandrakizay

Zo ANDRIAMIADANA (Paris,27/09/2011)

Télécharger les paroles

Télécharger le MP3