Toriteny Paska 2015

Asa 10, 34- 43

Paska fandresena, Paska fanomezan-toky, Paska fiainana vaovao.

Fomba fanaon’ny fiangonana ry havana ny mankalaza ny fandresen’i Kristy noho ny nitsanganany tamin’ny maty. Ankalazaina izany satria tena Vaovao Mahafaly tokoa ho an’ny mino.

Ny tenin’Andriamanitra izay anjarantsika amin’ity Paska ity dia ny Asan’ny Apostoly 10, 34- 43. Raha vory i Kornelio – «izay mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra » (Asa 10, 2)- raha vory izy sy ny ankohonany ary ny tena sakaizany (and 24) hihaino an’i Petera dia ny ivon’ny finoana kristiana indrindra, izany hoe ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty no nambaran’i Petera tamin’izy ireo. Isan’izay nambaran’i Petera koa tamin’io fotoana io ny filazana fa io Jesosy io no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty (and 42).

Isan’ny fanontaniana apetraky ny maro tokoa matetika ny amin’ity fitsaràn’Andriamanitra ity – ahoana ny amin’io ? rahoviana io ? sns. Isan’izay miverina matetika ao ambavan’ny olona koa ny hoe rehefa maty isika dia ahoana ? sy ny hoe nahoana isika no velona eto ?

Ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty no mamaly izany fanontaniana rehetra izany. Hazavain’ny hazofijalian’i Kristy sy ny Paska ny fiainan’ny mino na velona izy na maty.

Jesosy Kristy fahamarinana sy fanavotana ho antsika

Jesosy Kristy Mpitsara ny velona sy ny maty hoy Petera. Matetika raha vao miresaka ity fitsarana ity ny olona dia matahotra eny fa na dia ny kristiana aza. Mandinika ny tenany izy, mandinika ny lasany sy izay rehetra nataony ka dia mangovitra sy mivarahontsana. Soa ihany fa teo Kristy!
Hoy ny teniny farany teo amin’ny hazofijaliana : “Vita” (Jao 19, 30). Vita hoy Jesosy dia maty izy. Vita ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray Azy dia ny fampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra Ray – vita ny famonjena – vita ny fitsaràna – ka ny valin’ny fitsaràna dia hoe : marina ianao noho ny amin’ilay maty teo amin’ny hazofijaliana nisolo anao, marina ianao noho ny amin’ilay nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana anao.

Teo amin’ny fiaraha-monina jiosy tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia teo amin’ny vavahady no nisy ny fitsaràna. Koa raha niteny Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona 10, 9 hoe : “Izaho no vavahady, ny ondriko dia afaka miditra sy mivoaka eo”- izany hoe manana fahafahana tanteraka, ny tian’ny Tompo hambara dia hoe : izaho no mpitsara, ny mino Ahy dia marina – “finoana no anamarinana” hoy Paoly (Rom 3, 28) ka tsy misy antony tokony hitsaràna azy satria Mpitsara marina Jesosy. Sady Mpitsara Jesosy no Mpisolo antsika, tsy hoe mpisolovava fotsiny fa nisolo toerana antsika mihitsy teo amin’ny hazofijaliana, sady Mpitsara Jesosy no mpanamarina antsika tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty. Koa inona indray no hotsaraina eo! Vita ho azy ny fitsarana ry havana! Marina ianao noho ny amin’i Kristy!

Nambaran’i Jesosy mivantana izany ao amin’ny Jaona 3, 18 : “Izay mino Ahy hoy Izy dia tsy tsaraina”. Nohamafisiny izany tao aorianan’io: “Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina”(Jao 5, 24). Indraindray rehefa misy zavatra mifamahofaho beniany eo amin’ny fiainana dia hoy ny sasany : “samy mbola hotsaraina e!”. Mbola ho avy tokoa ny fitsaràna fa tsy ho an’ny mino izany. “Ny tsy mino ihany no tsaraina sady efa voaheloka rahateo” hoy Jesosy (Jao 3, 18) – (Jereo koa Jao 12, 31-33 : ny fahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana no fotoanan’ny fitsaràna).

Iza na inona no atao hoe mino?

Ny “mino” dia olona manaiky ho an’ny tenany ny fahafatesan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ny mino dia manaiky ho an’ny tenany ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Amin’ny teny hafa, ny mino dia olona efa nihaona tamin’ny Tompo – na dia tsy hitan’ny masony aza Kristy dia velona ao anatiny – velona eo amin’ny fiainany – mitafy an’i Kristy sy ny fiainam-baovao avy Aminy izy ary manana firaisam-piainana Aminy – Kristy velona ao aminy ary izy velona ao amin’i Kristy.

Lehibe ny fitiavan’i Jesosy antsika

Izao koa ry havana : raha maty ianao, ny vadinao izay tia anao tokoa ary milaza aminao isan’andro isan’andro fa tia anao – raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, ny zanakao izay tia anao tokoa ary milaza aminao isan’andro isan’andro fa tia anao – raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, ny namanao izay milaza aminao isan’andro isan’andro fa tia anao – raha maty ianao aleviny ao am-pasana ianao dia lasa izy mivoaka, fa Jesosy kosa raha maty ianao – miaraka milevina aminao ao am-pasana izy (Rom 6, 3-4) – tsy mamela anao irery ao Izy. Jesosy Kristy no tia anao indrindra! Izany no anton’ny sabotsy masina ry havana. Ho ahy ny anton’ny sabotsy masina, ho anao ny anton’ny nipetrahan’i Jesosy tao am-pasana. Amin’ny fotoana izay tena maha-mafy indrindra ny adinao tsy misaraka aminao Kristy ! Tsy tahotra ho anao intsony ny fahafatesana!

Fanampin’izany, Kristy tsy tavela tao am-pasana fa nitsangana tamin’ny maty (Mat 28, 1-20 ; Mar 16,1-20 ; Lio 24, 1-11 ; Jao 1-29). Resiny ny fahafatesana. Maty ny fahafatesana! Tsy ny fahafatesana intsony no mametra ny fiainana fa ny fiainana no mametra ny fahafatesana. Ho faty ihany ny mino fa ny fahafatesany dia tsy hafa fa fiatombohan’ny fiainany vaovao ao amin’Andriamanitra. Tsy maty ny mino io milevina ao am-pasana io fa velona ao amin’Andriamanitra. Tsy mahasakana ny firaisam-piainan’ny mino amin’i Kristy ny fahafatesana. Ary mbola ho avy ny andro izay hananganan’Andriamanitra azy amin’ny fotoana voatendriny ho amin’izany. “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana hoy Jesosy, izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray” (Jao 11, 25) – « ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany » (Jao 6, 40).

Mahasahana ny maha-olona manontolo ny famonjen’i Kristy

Ankoatra izany ry havana, ny fandresen’i Kristy dia mahasahana ny zavatra rehetra fa tsy ny momba ny fivavahana ihany akory na ny hoe ny any ankoatra ihany. Ny famonjen’i Kristy dia mahasahana ny maha-olona manontolo.
Ny irariana dia amin’ny sehatra rehetra na politika na ekonomika na sosialy na siansa na tantara na kolotsaina na ny ho avy na ny tanjona na ny tetik’asa na ny miafina na ny miharihary, na amin’ny mora na amin’ny sarotra -amin’izany rehetra izany na amin’inona na amin’inona dia ny herin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty no hamirapiratra.

Misionera ny mino

Loha-laharana amin’ny fijoroana vavolombelona amin’izany sehatra rehetra izany ny fiangonana, ny mino. Efa nomen’Andriamanitra anao ny lanitra noho ny amin’i Kristy – tsy manana tebiteby ny amin’izany intsony ianao – efa vitan’i Jesosy ny famandrihana ny toeranao any – tsy mampisalasala intsony ny any.
Koa satria tsy manana tebiteby ny amin’izany intsony ianao dia afaka ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo am-pitiavana – hanandratra ny asam-pamonjen’i Kristy amin’ny teny sy amin’ny asa mba hampisy fiainana velona be dia be ho an’ny manodidina anao – mpiombona misiona amin’Andriamanitra ianao amin’izany – misionera ianao no eto – tsy asa mividy famonjena izany fa asa vokatry ny famonjena. Koa mahereza fa Andriamanitra momba anao – tia anao ary mampahery anao.

Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

ANDRIALAMPISON Naina, Mpitandrina