Lundi de Pentecôte 2016

Flyer Lundi de Pentecôte 2016

Ho tanterahina ny Alatsinainy faha-16 Mey 2016 ho avy izao ny fitsangatsanganana lundi de Pentecôte

Ny fotoana dia eny amin’ny  eny amin’ny Parc Départemental des Marmousets, 94510 La Queue-en-Brie (toy ny tamin’ny herintaona ihany), ary hanomboka amin’ny 11h maraina.

Ny S.T.K. no mikarakara ny sakafo sy ny activités eny an-toerana, ka ny vola azo amin’izany dia hampiasaina hanomanana ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Sampana.

Ny sakafo dia hamidy 5€ (lasary, vary, laoka – barbecue ary voankazo). Ny zava-pisotro kosa dia hamidy 1€.

Hisy ny kilalao maro samihafa: baolina kitra, course gony, tsipy kanety be, hirahira ary fiaraha-mifaly isankarazany.

Hisy ihany koa ny navette miala eny amin’ny gare RER E – Emerainville/Pontault-Combault.

Koa manao antso ny Sampana Tanora ho an’izay malala-tanana, manana ireto fitaovana manaraka ireto, hanantona azy dieny izao: barbecue, charbons, couverts en plastique, réchauds à gaz, fiarakodia hanaovana navettes.

Iangaviana ihany koa izay mikasa ho tonga amin’io fotoana io mba hisoratra anarana any amin’ny S.T.K., mba ahazoana manombatomba ny isan’ny olona ho avy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.

Ny STK Fihobiana-Paris

Contact : 06 67 44 05 72