Vokatra – Sakafo Agape 21/04/2013

«  Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika : fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika raha tsy reraka isika » (Gal 6:9)

Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra eto amin’ny FPMA FIHOBIANA-PARIS !

Hampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavan’ny Tompo !

Io tenin’Andriamanitra ambony io no teny nofidiana mba hanentanana antsika indray amin’izao fotoam-bokatry ny Fiangonantsika izao. Teny mamporisika mba hazoto mandrakariva amin’ny asa fanaovan-tsoa, ary izay rehetra nataontsika tao amin’ny Fiangonana dia hisy valiny tokoa !

Amin’ny Alahady 21 Avrily 2013 izao ary no hisantarantsika izany voka-dehibe izany amin’ity taona ity. Hanomana raki-dehibe isika ho solon’ny vokatra hataontsika, ka ho rakitra indray mandeha ihany ary hatao anaty valopy izany ! Aterintsika eny amin’ny alitara izany valopy izany !

Aorian’ny fiarahantsika mandray ny fanasan’ny Tompo, amin’io Alahady io dia hiara-hisakafo ao amin’ny Salle AGAPE isika. Ny Diakona no hanomana ny sakafo hiarahantsika mihinana, koa manentana antsika mba samy hijanona hiara-mifaly sy mihinana izany sakafo izany, fa valala iray aza ifanapahana !

Koa entanina isika, ry havana, mba hanao izay azo hatao hampandrosoana ny Fiangonantsika amin’ny alalan’ny VOKA-DEHIBE izay hataontsika ny Alahady 21 Avrily 2013 izao.

« Koa amin’izany ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » (I Kor 15:58) !

Paris faha-18 Aprily 2013

Ny Birao